Fananganan-tsaina, 24 octobre 2022

Nahazo fanomezana tsy nampoizina ny mpiasa, 

Toy ny isaky ny Alatsinainy dia nisy androany 24 oktobra  2022 ny fananganan-tsaina nataon'ny Faritra Analamanga ho an'ireo olona rehetra miasa ato amin'ny "Faritany" Ambohidahy.
Nandritra ny fampiakaran-tsaina fanao dia nisy ny fanomezana tsy nampoizina natolotry ny Governora Hery Rasoamaromaka ireo izay tonga nanatrika izany fampiakaran-tsaina izany : vary 1 gony sy atody maromaro.
Tsy ny mpiasan'ny Faritra Analamanga irery no nahazo ireto tolotra tampoka tsy nampoizina ireto fa teo koa ireo mpiasa avy amin'ny sampandraharaham-panjakana hafa toy ny Polisy miasa eo amin'ny Faritra sy mpiasan'ny CIM.