Ben'ny Tanàna Aina Andriantsitohaina

MANAMELOKA NY FIFOFOANA AIN'OLONA NY GOVERNORAN'ANALAMANGA

Ny marainan'ny alahady 13 novambra 2022 dia nisy nitifitra teny Ilafy ny fiara nitondra ny Ben'ny tanànan'Antananarivo Renivohitra Andriamatoa Naina Andriantsitohaina. Roalahy nitaingina scooter no nanao ny fitifirana. Tsy naninona kosa ny ben'ny tanàna satria tsy laitram-bala ity fiara nitondra azy ity.

Taorian'izay dia namoaka fanambarana ny Governoran'Analamanga, Andriamatoa Hery Rasoamaromaka, fa manameloka tanteraka ny fifofoana ain'olona toy izao. Mbola nohamafisiny izany ny marainan'ny alatsinainy 14 novambra 2022 tetsy Ambohidahy tao anatin'ny fotoana fananganan-tsaina. Tamin'izany no nanentanany ny tsirairay mba hiara-hiasa amin'ny mpitandro filaminana ka hampandre azy ireo raha misy manam-baovao mahakasika ity raharaha ity.

Toy izao ny fanambaran'ny Governora Hery Rasoamaromaka :

"Ny tenako sy ireo mpiara miasa amiko rehetra ato amin'ny Faritra Analamanga dia manameloka izay olona nikasa hamono ka nitifitra ny Ben'ny Tananan'Antananarivo omaly maraina.
Na misy aza ny mety hevitra tsy mitovy eo amin'ny fanehoan-kevitra politika dia aoka ho tandrovana hatrany ny soatoavina Malagasy".