Team building natao tany Maurice

Niatrika Team building tany Maurice ireo tompon'andraikitra ambony ao amin'ny Faritra Analamanga

Araka ny fanasana azo tamin'ireo mpiara-miombon'antoka amin'ny Faritra Analamanga atsy amin'ny Nosy Maorisy dia nanatanteraka atrikasa na "team building" nandritra ny 4 andro tany an-toerana ny Governoran'Analamanga sy ireo tompon'andraikitra ato amin'ny Faritra Analamanga. Atrikasa izay niompana tanteraka tamin'ny resaka fambolem-bary, ny fiompina trondro ary ny fanorenana ary tsy ho ela dia hisy ny fiaraha-miasa hatao momba ireo sehatra ireo.
Tsara ho marihina, araka ny fanambaran'ny Governora, fa tsy nisy tetibola avy ao amin'ny Faritra Analamanga nivoaka na Ariary aza tamin'ny dia natao tany Maorisy ary azo hamarinina tsara izany.
Izao hetsika izao no natao, hoy hatrany ny Governora Hery Rasoamaromaka, dia mba ho fisaorana sy fankasitrahana ireo mpiara-miasa izay niasa tsy nandry andro sy tsy nandry alina eny na andro tsy fiasana aza ka nahazoan'ny Faritra Analamanga vokatra maro nandritra izay fotoam-piasana 3 taona izay.