Nitohy omaly 29 novambra 2022 teny amin'ny fonkotany Ambolo Kaominina Talata Volonondry izay toerana hanombohan'ny lalana migodana (autoroute) ny fifampiresahana tamin'ireo mponina eny amin'ireo fonkotany manodidina izay niarahan'ny Faritra Analamanga sy ny Ministeran'ny Asa Vaventy.
Nisy moa ny fangantahan'ireo mponina izay voakasiky ny tetikasan'ny Filoha Andry RAJOELINA izay nentin'ny filohan'ny fonkotany, dia ny fanamboaran-dalana sy ny hananganana CEG ary ny fametrahana jiro. Ireo fangatahana ireo izay hotanterahan'ny faritra Analamanga ny fanatanterahana azy.
Marihina fa hanomboka afaka andro vitsy ny asa fanamboarana ity autoroute ity.
Raha ny tsapa sy ny hita tamin'ny resaka sy fifampidinihana dia mankasitraka sy tsy manda ary tsy manohitra ny tetikasa ny mponina fa mba mangataka fotsiny izy ireo ny hikarakarana haingana ny fanonerana ny tanimboly sy ny tanimbarin'izy ireo izay voakasika amin'ity tetikasa goavana ity. Izany zavatra izany moa dia efa voadinika ary hojeren'ny tomponandraiki-panjakana akaiky ny hanantanterahana azy.
Nandritra ny fotoana omaly io no nanantanterahana ny fomba Malagasy mba hangatahan-tsodrano ny fanombohan'ity asa goavana ity ary nisy ny nofonkena mitam-pihavanana araka ny fangatahan'ny mponina. Nisy ny omby izay novonoina sy nifampizaran'ny mponina teny an-toerana tamin'izany.