Nitarika izany lanonana lehibe izany ny Filoham-pirenena Andry RAJOELINA, notronin’ireo olomanakaja maro eto amin'ny firenena satria zava-dehibe eo amin'ny tantaran'ny Madagasikara ity natomboka omaly ity vahoaka maro no nanatrika izany.
Lalana migodana mirefy 260 km izay mahazaka fiara 4 (4 voies) manomboka eo Tsarasaotra hihazo an'i Sabotsy Namehana - Ambohimanga Rova -Talata Volonondry - Anjozorobe ary hivoaka any Andaingo hihaona amin'ny lalam-pirenena faha-44 ary hitohy hatrany Toamasina. Ny orinasa Egyptianina SAMCRETE no manatanteraka ny asa.
Miavaka ity tetik’asa satria ity no autoroute voalohany eto Madagasikara.
Hitondra vokatra sy tombotsoa goavana ho an'ny Firenena ny ho fahavitan'izy ity indrindra ny ara-toekarena satria ho mora sy ho haingana ny fivezivezen'ny entana mivoaka ao amin’ny seranantsambon'i Toamasina.
Velirano nataon'ny Filoha Andry Rajoelina ny hoe "Madagasikara ho lasa maoderina" ary ny tanjona dia ny ho lasa fitaratra eto amin'ny ranomasimbe indiana ny firenena malagasy. "Tsy ny anarako no tiako hitoetra, fa ny asa sy ny fotodrafitrasa ho lovain'ny taranaka faramandimby no tiako hitoetra eto amin'ny firenena" hoy ny Filoha.