Mitohy hatrany ny tan-tsoroka sy fanampiana ny Kaominina Antananarivo Renivohitra ataon'ny Faritra Analamanga amin'ny fanalana ireo fako mivangongo eto Antananarivo Renivohitra. Rehefa volana Desambra toy izao dia misedra olana ny fanangona ny fako eny amin'ireo dabam-pako maro eto Antananarivo Renivohitra noho ny fiakaran'ireo voankazo maro amin'izao vanim-potoana izao. Nanndritra ny fotoana fananganan-tsaina tetsy amin'ny Biraon'ny Faritra Ambohidahy ny alatsinainy, dia mbola nohamafisin'Andriamatoa Governora fa hitohy hatrany ny fiaraha-mientana ataon'ny Faritra Analamanga sy ny Kaominina Antananarivo Renivohitra amin'ny fanadiovana ny tanàna toy izao.
Miasa andro aman'alina ireo camions sy ireo "engins" an'ny Faritra amin'izany asa izany.
Tsara marihina fa fanampiana no ataon'ny Faritra Analamanga noho ny maha tanàna iraisana an'Antananarivo Renivohitra.
MIASA HO ANAO NY FARITRA ANALAMANGA.
Ho fanampiana ny Kaominina Antananarivo Renivohitra amin'ny fandraofana ireo fako ireo sy hanadiovana ny tanàna dia nirotsaka an-tsehatra ny Faritra Analamanga, ka "tracks" 2 sy camions 5 no nahetsiky ny Faritra amin'izao hetsika izao.
Toerana maro toy ny teny Ambatoroka, Andranomena, Ambodimita, Ambodihady, Ambatolampikely Ambohibao no nanombohana izany ny zoma 11 desambra 2022 tontolo andro ary nitohy ny alina, ary mbola nitohy nandritra ny faran'ny herinandro.
Ny solika nampiasain'ireo "engins" sy "camions" ireo dia ny Faritra Analamanga ihany koa no niantoka azy.