Manoloana ny resaka mafampana teny amin'ny Antenimieram-pirenena, mahakasika ny fanangonan-tsonia nataon'ireo depiote ho fitsipaham-pitokisana ny Praiminisitra lehiben'ny governemanta dia naneho hevitra ny Governoran'Analamanga, Andriamatoa Hery Rasoamaromaka, ka nitafa tamin'ny mpanao gazety tetsy Ambohidahy ny alatsinainy 12 desambra 2022. Nambarany tamin'izany fa tsy vahaolana ny fanovana ny governemanta ankehitriny fa ny tombontsoa ambonin'ny firenena no tokony himasoana. Ny zava-mitranga toy ireny dia mitondra fampieritreretana ho an'ny rehetra na solombavambahoaka na ny mpanatanteraka, ka tokony hifampihaino izy ireo.