Distrikan'Andramasina: maromaro ny tetikasa hatao

Lalana rarivato ao Anjomà-Faliarivo, 26 desambra 2022

Toy izao hitantsika amin'ny sary izao ny fizotry ny fanamboarana lalana rarivato na pavé any amin'ny Kaominina Anjomà-Faliarivo, Distrikan'Andramasina.
Mbola mitohy hatrany ny asa fanamboarana ary etoana ny Governoran'Analamanga Hery Rasoamaromaka dia mampanantena ny mponina any Andramasina fa ho maromaro ny asa hatao any an-toerana amin'io taona vaovao io ary efa santionany izao.