Lalana rarivato Ambodivonkely-Ambohimandroso, Tana-VI

FARITRA ANALAMANGA MIASA HO ANAO
Natolotra tamin'ny fomba ofisialy ny lalana Ambodivonkely mivoaka eny Antanety, boriborintany VI, mirefy 800 metatra. 21 jona 2023

Raha efa ela nijaliana ny mponina ao amin'ny fokontany Ambodivonkely Ambohimanarina tamin'ny lalana vovoka sy fotaka rehefa avy orana dia noraisin'ny Faritra Analamanga an-tanana ny fanamboarana izany lalana izany ho rarivato na pavé. Vita soamantsara izany ankehitriny.
Ny tanjon'izao fitondrana izao moa dia miezaka ny hamaha ny olan'ny mponina ka nisy ny fiaraha-miasa tamin'ny Kaominina Antananarivo Renivohitra ka izy ireo no nanamboatra ny tohatohabato.
Notanterahina androany 21 Jona 2023 noho izany ny fitokanana ireo lalana sy zava-bita ireo ka niaraka nidina teny an-toerana nanao izany fitokanana izany ny Governoran'Analamanga sy ireo mpiara-miasa aminy ary ny Ben'ny tananan'Antananarivo Renivohitra, notronin'ny Solombavam-bahoaka.

Mitohy hatrany ny fanamboarana ny lalana rarivato Ambodivonkely-Ambohimandroso ao Ambohimanarina, 18 janoary 2023

Toy izao hitantsika amin'ny sary izao ny fizotry ny fanamboarana ny lalana rarivato na pavé eny Ambodivonkely mivoaka eny Ambohimandroso, boriborintany faha VI, Antananarivo Renivohitra.
Mbola mitohy hatrany ny asa fanamboarana ary ny Faritra Analamanga dia miala tsiny aminareo mpampiasa ny lalana noho ny fanelingelenana mandritra ny asa.

Lalana rarivato ao Ambohimanarina, 10 janoary 2023

Noho ny fangatahan'ny Solombavam-bahoaka voafidy teny amin'ny boriboritany faha-6, Antananarivo Renivohitra, sy ny vahoaka mpampiasa lalana eny an-toerana dia natomboka ny asa fanamboaran-dalana rarivato na pavée eny Ambohimanarina miainga eo Ambodivonkely mivoaka eny Ambohimandroso.
Hivaha tsy ho ela ny olana nampijaly ny vahoakan' Ambohimanarina an-taonany maro tamin'io lalana io.
Ny Faritra Analamanga dia maneho ny fialan-tsiny amin'ny fanelingelenana ho an'ireo mpampiasa lalana.