Notanterahana ny 09 janoary 2023 teto amin'ny toeram-piasana teto Ambohidahy ny fananganan-tsaina voalohany niarahana tamin'ny mpiasa rehetra ato amin'ny "Faritany" Ambohidahy.
Fotoana izay nanomezan'ny Governora, Hery Rasoamaromaka, tsodrano sy fankaherezana ary fisaorana ho an'ny mpiasa rehetra.
Fisaorana, hoy ny Governora, satria tsapa ny ezaka nataon'ny rehetra nandritra iny taona 2022 ary ny fiaraha-miasa tsara tamin'izy ireo no nahazoana ny vokatra.
Fankaherezana satria mbola maro ireo asa miandry indrindra ho an'ity taona 2023 ity.
Noho ny tonon-taona vaovao dia nisy ny fanomezana natolotr'ireo mpiasa ho mariky ny fiarahabana koa nisaotra sy nankasitraka indrindra noho izany FITIAVANA LEHIBE INDRINDRA hita maso izany ny Governora.