FARITRA ANALAMANGA MIASA HATRANY HO ANTSIKA.
Lalana maro amin'ireo toerana maro any amin'ny kaominina samihafa ato anatin'ny Faritra no amboarin'ny Faritra Analamanga ankehitriny.
Toy izao ny fizotry ny fanamboarana ny lalana rarivato na pavé eny Antsavatsava, kaominina ambanivohitra Itaosy, distrikan'Antananarivo Atsimondrano.
Ny Faritra Analamanga dia miezaka hatrany manao ireny lalana tsy nisy mpikitika mampitohy ny samy kaominina ireny satria izay ny antom-pisiany araka ny toromarika nomen'ny Filoha Andry RAJOELINA.
Etoana dia miala tsiny hatrany amin'ireo mpampiasa ny lalana ny Faritra Analamanga noho ny fanelingelenana mandritra ny asa fanamboarana.