Taom-pambolen-kazo 2023, nosokafana tao Vatomandry

Madagasikara rakotra ala no tanjona

Ho fanantanterahana ny Velirano faha-10 dia ny fandrakofana ala an'i Madagasikara dia nandray anjara tamin'ny fanombohana amin'ny fomba ofisialy ny taom-pambolen-kazo tao Tanambao sy Seranandavitra, kaominina ambanivohitra Ilaka Est, distrikan'i Vatomandry ny Governoran'Analamanga sy ireo ekipan'ny Faritra Analamanga, ny sabotsy 28 janoary 2023.
Nitarika izany hetsika fambolen-kazo sy nanokatra izany tamin'ny fomba ofisialy ny taom-pambolen-kazo 2023 tany an-toerana ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina.
Velaran-tany mirefy 100Ha no nanombohana izany taom-pambolen-kazo izany ka ny 75Ha izay nambolena zanakazo miisa 120.000 dia nifarimbonan'ireo olona maro tonga tany an-toerana. Ny 25Ha kosa dia nampiasana ny "drone" nandatsaka ireo voa hazo zanatany milanja 280kg. 
Ny taompam-bolenkazo eto Analamanga kosa dia hotanterahina ny 7 Febroary ho avy izao eny amin'ny Kaominina Masindray.