Famokarana tantely manara-penitra
Natolotry ny Minisitry ny Indostria sy ny Varotra ary ny Fanjifana, Edgard Razafindravahy, ho an'ny Kaoperativan'ireo tantsaha mivelona amin'ny sehatra fiompiana tantely ao Manjakandriana androany 09 febroary 2023 ny fitaovana avy amin'ny fitondram-panjakana mba hanodinana ny tantely ho vokatra manara-penitra sy azo amidy.
Fanokafana ny taninketsa Indostrialy eto amin'ny Faritra Analamanga izao ka ny Distrikan'i Manjakandriana no nisitraka izany voalohany. Tonga nanatrika izao fotoan-dehibe ho an'ny Faritra Analamanga izao ny Governora hery Rasoamaromaka sy ny mpiara-miasa aminy.
Nambaran'ny Minisitry ny Indostria sy ny Varotra ary ny Fanjifana tamin'izany fa hita ato amin’ny faritra Analamanga ny ankamaroan’ny fihariana, indrindra ny fihariana fototra dia ny fambolena sy ny fiompiana. Mahafantatra tsara izany ny Filoham-pirenena ary izay no antony nividianan’ny fanjakana itony milina hanodinana vokatra avy hatrany ety ifotony itony. Ho an’ny distrikan’i Manjakandriana manokana dia samy manana mpiompy tantely avokoa ireo kaominina 25 mandrafitra azy.
Izao no natao dia fanatanterahana hatrany ny Veliranon'ny Filoha Andry RAJOELNA amin'ny famoronana asa sy fampananana asa ny vahoaka eny ifotony hoy ny Governoran'Analamanga.
Marihina fa distrika maro eto Madagasikara no hotolorana itony fitaovana itony.