Notontosaina androany ny fitokanana ny Tsena vaovao etsy Behoririka ahitana rihana telo (R+3). Tsena natao hamahana ny olan'ireo mpivarotra eny amoron-dalana eny amin'iny faritra iny izay mahazaka mpivarotra 800. Nanatrika izany fitokanana izany ny Governoran'ny Faritra Analamanga. Nandritra ny fandraisany fitenenany no nilazany fa ity Tsenan'i Behoririka ity dia fanombohana ihany amin'ireo asa marobe tanterahin'ny fitondram-panjakana tarihin'ny Filoha Andry Rajoelina amin'ny alalan'ny Kaominina Antananarivo Renivohitra. Fiarahabana sy fampirisihana no natolony ho an'ny Ben'ny Tanàna Naina Andriantsitohaina amin'izao ezaka lehibe vita izao izay fanombohana ihany satria ho avy tsy ho ela ny etsy Anosy sy Coum 67ha ary ireo toerana maro eto Antananarivo. |