Nitarika izany teny an-toerana Ramatoa Mialy RAJOELINA vadin'ny Filoham-pirenena amin'ny maha Renin'ny Malagasy azy ary nanotrona azy teny an-toerana ny Filoha Andry RAJOELINA.
Nandray anjara tamin'izany hetsika izany ireo vehivavy ato amin'ny Faritra Analamanga sy Ramatoa vadin'ny Governoran'Analamanga.
Taorian'ny hetsika dia nisy ny fotoana niarahan'dRamatoa vadin'ny Governora sy ireo mpiasan'ny Faritra Analamanga nandray anjara tamin'ny hetsika ary nisy ny fanomezana natolotr'ireo mpiasa ho azy ka nitondrany ny fisaorana.
Etoana ny Governora Hery Rasoamaromaka dia faly miarahaba ireo vehivavy rehetra manerana ny Nosy amin'izao andro iraisam-pirenena ho azy ireo izao.