Faritra telo no voakasika manokana taamin'izany izay nahitana ny Governorany avy dia ny Faritra Analamanga, Alaotra Mangoro, ary Betsiboka. Ireo faritra ireo dia nahitana endrika tsy fandriampahalemana nisesisesy tato ho ato toy ny fakana an-keriny (Kidnapping).
Minisitra 3 ao anatin'ny Governemanta izay voakasiky ny resaka fandriampahalemana ihany koa no tonga tany an-toerana miatrika izao fivoriana izao dia ny Minisitry ny Fitsarana, Minisitry ny Atitany sy ny Fitsinjaram-pahefana ary ny Sekreteram-panjakana miadiady ny Zandarimaria.