Ho an'ny CEG dia trano fianarana vaovao no naorina izay mirefy 7,50mx30,25m ary ahitana efitra telo.
Trano iray lehibe vaovao misy rihana ihany koa no natolotra ny Lycée izay mirefy 13mx18,50m ary ahitana efitrano fianarana miisa 6 sy birao 2. Ireo rehetra ireo dia mbola miampy trano fivoahana (WC) 2 sy douche.
Lanonam-be no hohita eny Androhibe Antsahadinta amin'io Sabotsy 25 martsa io. Hanafana ny fotoana ny mpanakanto TSILIVA ary hisy ny nofonkena mitam-pihavanana hatolotry ny Faritra Analamanga.