Fanamarihana ny 29 marsa

Tolom-panafahana 29 martsa 1947 : "Tolom-panafahana, firaisankina ho an'ny Fitiavan-tanindrazana" 
Nosokafana androany 22 martsa 2023 tamin'ny fomba ofisialy tetsy amin'ny zaridainan'Anosy ny fanamarihana ny faha 76 taonan'ny tolom-pahafana 29 Martsa 1947, nanatrika izany teny an-toerana ny Governoran'ny Faritra Analamanga sy ireo mpiara-miasa aminy.
Nisy ny fizaham-pahasalamana natao tamin'ireo Bekotromaroholatra, akanga sisananamborana nandritra ny fotoam-panokafana tamin'ity andro ity. Misy ihany koa ny fampirantiana mahakasika ny tolona izay natao ka tsy hifarana izany raha tsy amin'ny 28 Martsa 2023.
Lohahevitra nosafidina entina manamarika ny faha 76 taon'ity tolom-panafahana ity ny hoe "Tolom-panafahana, Firaisan-kina ho an'ny  Fitiavan-tanindrazana"