Fitokanana ny LYCEE sy CEG Androhibe Antsahadinta

Ho famaliana ny hetahetan'ny mponina sy fanatanterahana ny Veliranon'ny Filoha
Tontosa soa amantsara ny Sabotsy 25 Martsa 2023 ny fitokanana ny Lycée sy CEG vaovao ao Androhibe Antsahadinta, distrikan'Antananarivo Atsimondrano.
Izao no natao dia ho famalian'ny Faritra Analamanga ny fangatahan'ny Solombavambahoaka Andry RATSIVAHINY sy ny Ben'ny Tanana Fabrice rakotomalala noho ny faharatsian'ny sekoly nisy tao an-toerana. Tafiditra indrindra ihany koa amin'ny fanatanterahana ny VELIRANO Faha4 ny Filoha Andry RAJOELINA dia ny fanabeazana ho an'ny rehetra.
Manampahefana maro no tonga tany an-toerana nahitana ireo Solombavambahoaka sy Loholona maro, mpikambana maro ao anatin'ny governemanta ary ny mpanolotsaina manokan'ny Filoham-pirenena.
Isaorana manokana ny Minisitry ny fanabeazam-pirenena nanome latabatra fianarana manarapenitra marobe natao tao amin'ireo trano fianaranana vaovao ireo. Afaka misitraka fianarana manara-penitra ny zaza any Androhibe Antsahadinta an-kehitriny.
Taorian'ny fitokanana dia nisy ny nofonkena mitam-pihavanana nomena ny vahoaka rehetra tao an-toerana izay tonga maro tokoa narahin'ny fiaraha-mikorana tamin'ny vahoaka nafanain'ny mpanakanto ny tolakandro.