29 marsa 1947 - 29 marsa 2023

Tolom-panafahana 29 marsa 1947 : "Tolom-panafahana, firaisankina ho an'ny Fitiavan-tanindrazana" 
Notsarovana toy ny isan-taona tetsy amin'ny Mausolée na ny Fasan'ny Maherifo Avaratrambohitsaina ny tolom-panafahana 29 Martsa 1947 ka nitarika izany teny an-toerana ny Filoha Andry Rajoelina notronin'ireo olom-panjakana maro.
Toy ireo Malagasy maro dia nahatsiaro izany vanim-potoana manan-tantara ho an'ny Firenena izany ihany koa ny Governoran'ny Faritra Analamanga ka tonga teny an-toerana niara-niombom-po tamin'ny Malagasy rehetra.
Lohahevitra nosafidina entina manamarika ny faha 76 taon'ity tolom-panafahana ity ny hoe "Tolom-panafahana, Firaisan-kina ho an'ny Fitiavan-tanindrazana".