Nojerena voalohany tamin'izany ny lalana mampitohy an'Ankadimbahoaka sy By pass izay efa vita ka efa misokatra sy azon'ny rehetra ampiasaina.
Taorian'izay dia nijery ny fizotry ny asa fanamboaran-dalana mampitohy an'Ambodin'Isotry sy "Aigle noir" ka efa manao ny asa fanomanana (travaux préparatoire) ny orinasa.
Marihina fa miara-miasa ny Minisitera sy ny Faritra ary ny Kaominin'Antananarivo amin'ny fanamboarana ireo lalana simba eto Andrenivohitra.
Nanamafy ny Minisitra fa ho hentitra ny minisitera amin'ny fanaraha-maso ny kalitao sy ny fenitra amin'ireo asa izay tanterahina satria fotodrafitrasa maharitra no omena hampiasain'ny vahoaka Malagasy.
Manentana ny rehetra kosa ny Governora mba hikajy sy hanaja hatrany ireo fotodrafitrasa momba ny lalana toy ny tsy fahafahana manasa sy manamboatra fiara eny amin'ny lalam-pirenena noho izy ireny mamotika ny tara amin'ny arabe.