Trano nirodana tetsy Behoririka, Nankahery ny fianakaviana ny Faritra Analamanga

ADIDY FITSAPANA ALAHELO SY FAMANGINA. 02.04.2023
Taorian'ny loza izay nitranga tetsy Behoririka ka namoizana ain'olona 5 tao amin'ny tokatrano 3 dia tonga nanao adidy namangy sy nitsapa alahelo an'ireo fianakaviana 3 samy hafa ny Faritra Analamanga ary nirary fahasalamana haingana ho an'ireo mitsabo tena.
Ny Faritra Analamanga dia teo hatrany vao niseho ny loza ary mbola eo hatrany ihany koa raha misy ny azo ifanampiana.
Ho lasa an'izay ny ratsy rehetra.

02/04/23