Teny Mamory Ivato sy Talatamaty no nanohizana.
Izany no natao dia mba hamahana haingana ny olan'ireo mpampiasa iny lalana iny amin'ireo fahasimban'ny lalana.
Araka ny nifanarahana teo amin'ny Minisiteran'ny Asa Vaventy, ny Faritra Analamanga ary ny CUA dia nisy ny fizarana asa teo amin'ny 3 tonta. Noho izany indrindra no nijerenay ny fizotry ny asa sahaninay teny an-toerana hoy ny Governora. Toy ny fanaonay ato amin'ny Faritra Analamanga dia miezaka hatrany izahay hanao izay hahatomombana amin'ny an-tsakany sy an-davany ireo asa sahaninay, hoy hatrany izy.
Hitohy amin'ny toerana hafa ny asa rehefa vita tsara ny eny Ivato sy ny manodidina.
Ny Faritra Analamanga dia maneho ny fialan-tsiny amin'izay mety ho fanelingelenana mandritra ny asa fanamboaran-dalana.