Mitohy ny asa fanaovana rarivato na pavé ny lalana ao amin'ny renivohitry ny kaominina ambanivohitra Ambatomanoina, distrikan' Anjozorobe izay asa sahanin'ny Faritra Analamanga.
Misy ny efa vita efa azo am-piasana ary misy ny eo andalam-panamboarana koa miangavy ny fiaretana kely ho an'ireo mpampiasa io lalana io ny Faritra Analamanga.