Fanamboaran-dalana ao Ambohimanatrika, 26 avril 2023

Faritra Analamanga Miasa ho antsika, Ambohimanatrika 26 aprily 2023
Toy izao ny fizotry ny asa fanamboarana ny lalana pavé ao Ambohimanatrika ao amin'ny distrikan'Antananarivo Atsimondrano izay ataon'ny Faritra Analamanga.
Mbola mitohy ny asa fanamboarana ity lalana ity izay mampifandray ny eny Alasora sy Tanjombato izay tsy nisy nikitika hatramin'ny fiafaran'ny Repoblika voalohany.
Faritra Analamanga Miasa ho antsika, 19 aprily 2023
Manomboka ny asa fanaovana rarivato na pavé ny lalana Ambohimanatrika Saropody izay lalana mahakasika kaominina roa dia i Alasora sy Tanjombato.
Marihina fa ity lalana ity dia tsy nisy nikitika intsony tao aorian'ny Repoblika voalohany nefa dia isan'ny lalana be mpampiasa ao Tanjombato.
Ny Faritra Analamanga dia maneho ny fialan-tsiny amin'ireo mpampiasa lalana noho ny fanelingelenana.
Faritra Analamanga Miasa ho antsika, 12 aprily 2023
Volana vitsy izay nandritra ny fandalovan'ny Governoran'Analamanga teny amin'ny Kaominina Tanjombato dia nangataka taminy ny Solombavambahoaka voafidy teny Atsimondrano sy ny Ben'ny Tanàna ny mba hanamboarana ho rarivato na pavé ity lalana eto Ambohimanatrikaity, izay mirefy 1200 metatra ary  tsy mbola nisy nikitika tao aorian'ny Repoblika voalohany.
Ho fanatanterahana ny toromariky ny Filoha Andry RAJOELINA amin'ny hoe "tsy hisy distrika ho hadino eto Madagasikara" dia natomboka androany 12 aprily 2023 ny asa ho fanamboarana ity lalana ity izay hosahanin'ny Faritra Analamanga tanteraka.
Efa eny an-toerana ireo milina an'ny Faritra Analamanga izay fanomezan'ny Filoha hanao ny terrassement alohan'ny hanaovana ny pavé.
Teny an-toerana nanamarika ny fanombohan'ny asa ny Mpanolotsaina manokan'ny Filohampirenena, ny Solombavambahoakan' Antananarivo Atsimondrano, ny Lehiben'ny distrikan'Atsimondrano, ny Ben'ny tanànan'ny Kaominina Tanjombato, ary ny ekipan'ny Faritra Analamanga izay notarihin'ny Talen'ny kabinetra.
Marihina fa misitraka ny ampahany amin' io làlana io ihany koa ny distrikan'Antananarivo Avaradrano dia ny Kaominina Alasora.