Fitokanana zava-bita marososona tany Ambositra

FITOKANAN'NY FILOHA ANDRY RAJOELINA ZAVA-BITA

Zava-bita maro no notokanan'ny Filoha Andry RAJOELINA tany Ambositra ny tontolo andron'ny Sabotsy 15 aprily 2023. Isan'izany ny:

-Ny Fonja manara-penitra ao Ankorombe Ambositra.

-Ny biraon’ny Fitaleavam-paritry ny Minisiteran’ny Asa, ny Fampananan’asa, ny Asam-panjakana ary ny Lalàna Sosialy,

-Ny biraon'ny Fitaleavam-paritry ny Filaminam-bahoaka ao Ankorombe Ambositra.

-Ny EPP manara-penitra ao Alakamisy Ambositra.

-Ny kianja manara-penitra Ambositra.

-Ny gare routière ao Ambositra

Tany Ambositra manotrona ny Filoha ny Governoran'Analamanga, Hery Rasoamaromaka sy ireo mpiara-miasa aminy, satria zava-dehibe tokoa izao tokanana izao ary zavatra mbola tsy nisy tany an-toerana raha tsy tamin'izao Fitondrana izao ny akamaroany.

Nambaran'ny Governoran'Analamanga rahateo matetika fa raha ny fotodrafitrasa naorin'ity Fitondrana ity dia ny fotoana hitokanana azy indray no tsy ho ampy satria maro dia maro izany.

15/04/23