Fitokanana ny Mozea Rainilaiarivony 18 aprily 2023

Fanatanterahana ny Veliranon'ny Filoha

Ny talata 18 aprily 2023 no natao ny fitokanana ny Mozea RAINILAIARIVONY etsy Amboditsiry.
Tonga teny an-toerana nanatanteraka ny fitokanana ny Filoha Andry RAJOELINA ka nanotrona ny Filoham-pirenena sy ny Minisiteran'ny Serasera sy ny Kolontsaina teny an-toerana ny Governoran'Analamanga Hery Rasoamaromaka.
Izy ity dia trano fonenan'ny Praiminisitra RAINILAIARIVONY fahiny saingy rava sy potika ka narenin'ny Fitondrana Andry RAJOELINA tamin'ny alalan'ny Ministeran'ny Serasera sy ny Kolontsaina izay tarihin'ny Minisitra Lalatiana RAKOTONDRAZAFY.
Tafiditra ao anatin'ny Veliranon'ny Filoha ny Kolontsaina dia ny Velirano faha 4 sy faha 13 : "Ny Firenena tsy mahalala ny tantarany sy ny Kolontsainy dia tsy toy ny tena Firenena".

Iza moa Rainilaiarivony.

18/04/23