Fikojakojana ny lalana Tsarasaotra-Antsofinondry

Mifarimbona ny Faritra sy ny Kaominina
Tsikaritra fa tatoato dia nihasimba ny lalana rarivato na pavé mampitohy an'i Tsarasaotra sy Atsofinondry izay mirefy eo amin'ny 6 km eo ho eo.
Kaominina 4 no misitraka an'iny lalana iny ka tokony hikarakara azy raha ny fifanarahana tamin'ny nanamboarana azy tany amboalohany dia ny Kaominina Ambatolampy Tsimahadotsy, Sabotsy Namehana, Anosy Avaratra ary Ambohimanga Rova.
Misy ireo Kaominina mahavita sy manao izany fikojakojana izany saingy misy kosa ireo tsy manatanteraka ny andraikiny.
Nisy ny fidinana ifotony nataon'ny Governoran'Analamanga sy ny mpiara-miasa aminy niaraka tamin'ireo avy ao amin'ny fitaleavam-paritry ny asa vaventy Analamanga sy ny avy ao amin'ireo kaominina voalaza ireo, ny Alatsinainy 24 aprily.
Tsikaritra fa ankoatra ny fahasimban'ny lalana dia misy ireo olona tena minia manala ireo vato pavé ary manary izany any anaty rano. Misy koa ireo fiara vaventy manala ireo "barrières" natao ho fetran'ireo fiara afaka mandalo amin'iny lalana iny ka miteraka izao fahasimbany haingana izao.
Tapaka àry tamin'ity fidinana ity fa ankoatra ny fanamboarana hataon'ny Faritra dia tsy maintsy manao ny asa fanamboarana sy fikojakojana ireo kaominina rehetra manodidina.
Hamafisina ihany koa ny fiambenana sy ny sazy ho an'ireo fiarabe mbola mikiry handeha amin'iny lalana iny.