Hamboarina tsy ho ela ny lalana Andramasina, 05 mai 2023

Ho fanantanterahana ny toromariky ny Filoha Andry RAJOELINA dia nisy ny fidinana nataon'ireo ingenieurs maro avy ao amin'ny Faritra Analamanga tany Andramasina nijerena ny fanomanana ny hanamboarana tsy ho ela ny lalana-tany any amin'ny Distrika Andramasina.
Mizara Axes 3 ny asa fanamboaran-dalana hatao dia :
Axe 1: Lalana mampitohy ny Kaominina Andramasina hatreo Anempoka 
Axe 2: Lalana mampitohy an'Anempoka sy ny Kaominina Alatsinainy Bakaro 
Axe 3: Lalana mampitohy an'Anempoka sy ny Kaominina Ambohimiadana.
Izao asa hatao izao dia hiarahan'ny Faritra Analamanga sy ny Ben'ny Tanàna "sasany", ny mpitatitra, ny mpandraharaha any an-toerana ary ireo zanaka am-pihelezana.
Efa ho avy tsy ho ela any an-toerana ireo "engins"  rehetra an'ny Faritra Analamanga nomen'ny Filoham-pirenena hanatanteraka ny asa.
Ny Faritra Analamanga dia miasa hatrany ho antsika

05/05/23