Lalan-tany Alakamisy - Tsarasaotra, Anjozorobe, 19 may 2023

FARITRA ANALAMANGA MIASA HO ANAO
Araka ny nambara ombieny ombieny dia isan'ny asa sy laharam-pahamehana ho an'ny Faritra Analamanga amin'ny asa lalan-tany ataony ny fampifandraisana ireo kaominina maromaro izay tsy afaka nifandray teo aloha.
Toy izao ary ny fizotry ny asa fanamboarana ny lalan-tany mampitohy Kaominina roa dia ny Kaominina Alakamisy sy Tsarasaotra ao amin'ny distrikan' Anjozorobe.
Marihina fa ireo fitaovana vaventy (engins) nomen'ny Filoha Andry RAJOELINA no ampiasaina amin'ny asa fanamboarana.

19/05/23