CONFERENCE SUR L’EXECUTION ET LA TRANSPARENCE BUDGETAIRE AU NIVEAU DECENTRALISE, 24.05.2023
Notanterahina tany Toamasina nandritra ny 3 andro ny atrik'asa momba ny "Transparence budgétaire" na Fitantanam-bola anaty mangarahara.
Tonga nanatrika izany tany an-toerana, niaraka tamin'ireo Governora manerana an'i Madagasikara, ny Governoran'Analamanga, sy ny solotenan'ireo Ben'ny tanàna eto Madagasikara.
Isan'ny fitaovana hahitana vokatra amin'ny asa fampandrosoana tokoa ny fitantanam-bola tsara tantana ary efa mametraka sy manatanteraka izany ny Faritra Analamnga ka izany no mbola hankasitrahana izao dinik'asa sy fampiofanana izao, hoy ny fanambaran'ny Governora Hery Rasoamaromaka.
Ny UNICEF Madagascar no mpiara-miombon'antoka teknika sy ara-bola mikarakara izao fihaonana izao. Ny Minisiteran'ny Toe-karena sy ny Fitantanam-bola miaraka amin'ny Ministeran'ny Atitany sy ny Fitsinjaram-pahefana kosa no manao tan-tsoroka ara-teknina hizara ny traikefany.