CEG Ivato, nahazo efitra sy dabilio

Fanolorana lakilasy fianarana sy dabilio, 19 septambra 2023
Ny talata 19 septambra 2023 no nanolorana tamin'ny mpianatra sy ny ben'ny tanàna ary ireo mpampianatra ireo lakilasy fianarana marobe izay nasiam-panavaozana tao amin'ny CEG Ivato.
Simba sy potika tokoa izy ireo ary tsy mendrika ho trano fianaran'ny mpianatra, ny sasany aza dia nomena  ny solon'anarana hoe "tranon-tsoavaly" noho ny haratsiany.
Ho fanatanterahana ny Veliranon'ny Filoha Andry RAJOELINA dia tsy nisalasala ny Faritra Analamanga namaly ny fangatahan'ny Ben'ny tananan'Ivato nanao ny asa fanarenana rehetra.
Nambaran'ny Governoran'Analamaanga fa ny atao hoe politika dia asa fanatsarana ny tanàna fa tsy araka ny fiheveran'ny sasany azy ka na dia tamin'ny antoko hafa aza ny Ben'ny tananan'Ivato dia tsy natao sakana velively izany.
Ho famalian'ny Filoha Andry RAJOELINA ny fangatahan'ny Ben'ny tanàna Penjy Randrianarisoa hatrany ny sabotsy lasa teo, dia natolotra androany ihany koa ny "tables-bancs" miisa 360 raha 150 no nangatahiny.
Etoana ny tenako sy ireo mpiara miasa amiko dia manome toky hatrany fa mbola hiasa ary vonona hiasa miaraka amin'ireo Ben'ny tanàna eny ifotony mba ho fampandrosoana an'i Madagasikara, hoy hatrany ny Governora.

Vita fanavaozana ary natolotra hampiasain'ny mpianatra ny CEG Ivato
Efa vita ary natolotra ny mpianatra ho azo ampiasaina hianarana, ny 12 septambra 2023, ny CEG Ivato izay nasian'ny Faritra Analamanga fanavaozana.
Efa simba sy potika ireto efitrano fianarana ireto ka taorian'ny fangatahan'ny ben'ny tanànan'Ivato, Penjy Randrianarisoa, dia noraisin'ny Faritra Analamanga an-tanana ny fanatanterahana ny asa, izay tafiditra rahateo ao anatin'ny Velirano fahefatry ny Filoha Andry RAJOELINA dia ny hoe "FANABEAZANA HO AN'NY REHETRA".
Nanomboka ary ny taom-pianarana ka nisitraka fotodrafitrasa tsara tarehy ny mpianatra.
Nankasitraka ny asa vita ireo ray amandrenin'ny mpianatra ary nentanina hikolokolo ny fotodrafitrasa ny mpianatra

Raisin'ny Faritra Analamanga an-tanana ny fanarenana ny efitrano fianarana
FARITRA ANALAMANGA MIASA HO ANTSIKA HATRANY
Noho ny fahitan'ny avy ato amin'ny Faritra Analamanga ny fahasimban'ireo efitrano fianarana ao amin'ny CEG Ivato, distrikan'Ambohidratrimo, dia nanampakevitra ny Governora sy ireo mpiara-miasa aminy ny handraisan'ny Faritra Analamanga an-tanana ny fanamboarana izany.
Toy izao ary ny fizotry ny asa fanarenana sy fanamboarana ny efitrano fianarana (Salles de classe) miisa 4 ao amin' ny CEG Ivato.
Ny Faritra Analamanga dia miara-miasa hatrany ho tombotsoan'ny vahoaka fa tsy mifidy firehan-kevitra ho fanatanterahana ny toromariky ny Filoha Andry RAJOELINA hoe tsy hisy Distrika ho hadino intsony.