NOFIDIANA HO RAY MPIAHY NY ANDIANY FANASINA AO AMIN'NY ESCA ANTANIMENA.
Ny Governora Hery Rasoamaromaka no nosafidian'ireo mpianatra ao amin'ny kilasy faha 3 ao amin'ny Kolejy ESCA Antanimena andiany FANASINA ho Ray mpiahy azy ireo amin'ny fivoahany hanohy ny fianarana indray amin'ny dingana manaraka.
Nisy noho izany androany ny fihaonany tamin'izy ireo teny amin'ny ESCA Antanimena nahazoany nampita ny hafatra mba hanohizan'izy ireo izany fianarana izany. Nambaran'ny Governora fa zava-dehibe ny tokony "hananana tanjona amin'ny fiainana" dieny izao ary atao fanamby ny hatratrarana izany.
Nisy nandritra io fotoana io ihany koa ny famelabelarana narahina fanazavana nentin'ny Talem-paritry ny Ministeran'ny Tontolo Iainana sy ny Fampandrosoana Lovainjafy Analamanga nanentanana amin'ny tokony hikoloana ny tontolo Iainana.
Nohamafisin'ny Governoran'Analamanga hatrany ny fisaorana ny "Frère Directeur" ny ESCA sy ireo mpianatra nisafidy ny tenany ho Ray mpiahy ary dia nirary soa sahady amin'ny fanadinana BEPC hataon'izy ireo tsy ho ela, ary hihaona tsy ho ela amin'izy ireo indray amin'ny " sortie de promotion" hatao ny 13 jolay ho avy izao.