Lalana Ankorondrano, 18 jona 2023

FARITRA ANALAMANGA MIASA HO ANTSIKA HATRANY.
Na andro tsy fiasana aza ny Sabotsy sy Alahady dia miasa hatrany ny faritra Analamanga mamboatra sy manampina ny lalana simba ka tetsy Ankorondrano La City indray no namboarina ny 17 sy 18 jona 2023.
Marihana fa misy ny fifampizarana andraikitra eo amin'ny Minisiteran'ny Asa Vaventy sy ny Kaominina Antananarivo Renivohitra ary ny Faritra Analamanga amin'ny fanamboarana ny lalana eto Antananarivo Renivohitra.
Ny Faritra Analamanga dia maneho ny fialantsiny ho antsika mpampiasa lalana noho ny fanelingelenana.

18/06/23