Efa ao anatin'ny voninandro fety tokoa isika eto Madagasikara noho ny fahatongavan'ny fetim-pirenena.
Nafana ny hetsika "Podium Goavam-be" natao teo Andranomena ny 21 jona 2023. Vahoaka maro no nanatrika izany.
Tonga teny an-toerana niara-nifaly sy nifety tamin'ireo vahoaka ny Governora sy ireo mpiara-miasa aminy notronin'ny solombavam-bahoaka eo amin'ny Boriborin-tany faha enina sy Ben'ny tanana.
Nofaranana tamin'ny afomanga ny lanonana.
Mbola hitohy any amin'ny toeran-kafa ny lanonana.