NAFANA NY PODIUM GOAVAM-BE TAO MANJAKANDRIANA
Nafana ary nahavoriana vahoaka marobe ny hetsika "Podium Goavam-be" natao tao Manjankandriana ny alin'ny 22 jona 2023 niarahana tamin'ireo mpanakanto malaza.
Izao no natao dia ho fampifaliana ny vahoaka amin'izao voninandro manakaiky fety eto Madagasikara izay hankalazana ny fahatongavan'ny fetim-pirenena.
Tonga tany an-toerana niara-nifaly sy nifety tamin'ireo vahoaka ny Governoran'Analamanga sy ireo mpiara-miasa aminy notronin'ny solombavam-bahoaka ao Manjakandriana sy Ben'ny tanàna.
Nofaranana tamin'ny afomanga ny lanonana.
Eny amin'ny By Pass Atsimondrano indray no hitohy izany ny zoma 23 jona ary hanasana antsika hatrany.