Asaramanitra : Nisitraka fanomezana avy amin'ny Governora ny mpiasan'ny Faritra

FANOMEZANA NOHO NY ASARAMANITRA.

Tsy hadinon'ny Governoran'Analamanga, Hery Rasoamaromaka, ny nanolotra fanomezana ho an'ny mpiasa ao amin'ny Faritra Analamanga amin'izao fahatongavan'ny tsingerintaona faha-63 niverenan'ny Fahaleovantena izao. Hafaliana ho ahy, hoy ny Governora ny manolotra izao satria mendrika ny hifaly toy ny Malagasy rehetra ny mpiasan'ny Faritra sy ny fianakaviany.

Ny solontenan'ny mpiasa kosa no nitondra ny fisaorana avy amin'ny mpiasa rehetra sy nirary soa ho an'Andriamatoa Governora sy ny fianakaviany. Taorian'izay dia nifanome fotoana ny rehetra fa ho avy eny Mahamasina hankalaza ny fetim-pirenena sy hanotrona ny Filoham-pirenena amin'ny 26 jona 2023 satria tsy havela handalo foana izany fotoan-dehibe ho an'ny firenena izany.

24/06/23