Ny 29 jona 2023 dia eto Ambodimita Ambodihady indray no nanohizana izany.
Ampatsiahivina hatrany fa misy ny fifampizarana andraikitra eo amin'ny Minisiteran'ny Asa Vaventy sy ny Kaominina Antananarivo Renivohitra ary ny Faritra Analamanga amin'ny fanamboarana ny lalana eto Antananarivo Renivohitra sy ny manodidina.
Ny Faritra Analamanga dia maneho ny fialantsiny ho antsika mpampiasa lalana noho ny fanelingelenana.