ny Faritra Analamanga izay tarihin'ny Governora Hery Rasoamaromaka dia manohy hatrany ny asa nankinin'ny Filoha Andry RAJOELINA aminay dia ny fampandrosoana ny kaominina rehetra ato amin'ny Faritra ka isan'izany ny fanamboaran-dalana na ao an-tampotanana ny kaominina na lalana mampifandray kaominina maromaro.
Toy izao ary ny fizotry ny asa fanamboarana ny lalana pavé ao Ambohimalaza, distrikan'Antananarivo Avaradrano.
Marihana fa mbola tsy vita ny asa ka manohy ny ressouflage sy ny fametrahana butage longitudinal en boutisse ny orinasa manatanteraka ny asa amin'izao fotoana izao.
Marihina fa mbola eo andalam-panamboarana ny orinasa sy ny teknisianina fa mbola tsy vita ny asa. Ny Faritra Analamanga dia manaraka hatrany ny toromariky ny Filoha Andry RAJOELINA dia ny tsy hisian'ny distrika hadino intsony.
Ny Faritra Analamanga dia maneho ny fialan-tsiny ho antsika mpampiasa lalana noho ny fanelingelenana.