Nambaran'ny Minisitry ny Atitany sy ny Fitsinjaram-pahefana, TOKELY Justin fa ho fampiharana ny Lalàna laharana faha 21-2021-011 tamin’ny 18 aogositra 2021 mametraka ny taratasy mirakitra ny politikam-panjakana mahakasika ny fitsinjaram-pahefana miabo no namolavolana ny drafi-pirenena mahakasika ny fitsinjaram-pahefana miabo. Mialoha izao fanatanterahana ny vovonana nasionaly ho fankatoavana ny drafi-pirenenan’ny fitsinjaram-pahefana miabo izao dia efa nisy ny atrikasa fakan-kevitra isam-paritra sy dinik’asa niarahana tamin’ny Minisitera isan-tsokajiny sy mpisehatra maro eny ifotony, avy amin’ny Faritra 23. Nambaran’ny Filoham-pirenena fa zava-dehibe ho an’ny fampandrosoana ny firenena ny fampandraisana andraikitra ny vondrom-bahoakam-paritra itsinjaram-pahefana eto Madagasikara. Ny fitsinjaram-pahefana hoy izy dia iainana sy tanterahina, antony nametrahana izany ho isan’ireo Velirano napetrany. Hatramin’izay hoy izy dia tsy hisy Distrika ho adino intsony no tanjona fa manomboka izao kosa dia tsy hisy kaominina sy fokontany tsy ho adino intsony. Hiara-hiasa akaiky amin’ireo Ben’ny Tanàna sy ireo Lehiben’ny Fokontany ny Fitondram-panjakana izay tarihiny, hoy hatrany izy.
Tonga nanome voninahitra ny lanonana fanokafana izany fivoriana izany ny Filoham-pirenena Andry RAJOELINA.
Velirano faha-12 nataon'ny Filoha Andry Rajoelina tokoa ny fahavitan-tena sy ny fampandraisana andraikitra ny vondrom-bahoakam-paritra eto Madagasikara.
Isan'ny asa efa nataon'izao Fitondrana izao ny fanendrena ireo Gorvernoram-paritra sy fananganana ireo Faritra vaovao, ny fanamboarana ireo fotodrafitrasa manakaiky vahoaka manarena ireo Faritra sy Distrika, ny fampitaovana ireo tompon’andraikitra eny ifotony sy fampitomboana ny fanohanana ara-bola ireo sampan-draharaham-panjakana eny ifotony.
Ny Faritra Analamanga manokana moa dia efa manatanteraka izany any amin'ireo asa tanterahina any amin'ireo Distrika manodidina manatanteraka ny toromariky ny Filoha amin'ny tsy hisian'ny distrikta, kaominina ary Fokontany ho hadino amin'ny asa fampandrosoana.