Festival de l'agriculture et écologie

FESTIVAL DE L'AGRICULTURE ET ECOLOGIE 2ème Edition
FAMPIROBOROBOANA NY FAMBOLENA SY NY FIOMPIANA
Notanterahina ny 07 sy 08 Jolay 2023 tetsy amin'ny "New Para Ivato" ny hetsika "Festival de l'agriculture et écologie" andiany faha 2. Hetsika izay karakarain'ny "Ecovillage Madagascar" ho entina hampiroboroboana ny fambolena sy ny fiompiana.
Ity hetsika ity dia isan'ny tafiditra amin'ny fanatanterahana ny Velirano faha 6, 7, 9 n'ny Filoha Andry RAJOELINA ka noho izany indrindra no nahatonga ny faritra Analamanga nanampy ny mpikarakara sy ny mpampiranty ka dia naloan'ny Faritra Analamanga avokoa ny hofan'ny tranoheva rehetra nanaovana ny fampiratiana.
Marihina fa ny fambolena sy ny fiompiana dia isan'ny fanohitra lehibe amin'ny Fampandrosoana ny Firenena.