ESCA ANTANIMENA, Famoahana ny Andiany FANASINA

Notanterahina ny Alakamisy 13 jolay 2023 tetsy amin'ny Espace Yandy By-Pass
Notanterahina ny Alakamisy 13 jolay 2023 tetsy amin'ny Espace Yandy By Pass ny "Sortie de promotion" ho an'ny kilasy faha-3 (classe de 3ème) ao amin'ny Kolejy ESCA, Andiany Fanasina.
Ny Governoran'ny Faritra Analamanga, Hery Rasoamaromaka, no nangatahin'ireto mpianatra ireto ho Ray mpiahy azy ireo.
Nisy ny mari-pankasitrahana natolotry ny Faritra Analamanga ho an'ny Sangany tamin'ny Andiany (major) sy ireo 3 voalohany mendrika indrindra tamin'ireo kilasy miisa 5.
Tsy hadinon'ny Governora ihany koa ny nisaotra sy nankasitraka ireo mpampianatra satria ny "Ny hazo no vanon-ko lakana dia ny tany naniriny no tsara" ka tsy nisy ny vokatra tsara toy izao, hoy izy, raha tsy teo ireo mpampianatra ireo. Noho izany dia nisy ny fanomezana manokana natolotra ho azy ireo.
Nanafana sy nampiseo ny fahaizany nandritra izany fotoana izany moa ny "Click" izay mpitsoka mozikan'ny ESCA, ka nisy ihany koa ny fanomezana natolotra ho azy ireo.
Izao hetsika izao dia mifanindra an-dalana hatrany amin'ny Veliranon'ny Filoha Andry RAJOELINA dia ny resaka fampianarana ny zaza Malagasy.
Tsy hijanona hetreo fa mbola hitohy amin'ny endriny hafa ny fiaraha-miasa amin'ny Kolejy ESCA ka  nirary soa ho an'ireto zaza nahavita dingana ireto ho tojo amin'ny dingana manaraka indray ny Governoran'Analamanga sy ny mpiara-miasa aminy.