Lalana Anjozorobe-Betatao, mitohy ny asa
MITOHY HATRANY NY ASA
Mba ho fanatanterahana hatrany ny toromariky ny Filoha Andry RAJOELINA tamin'ny nanomezany ireo "engins" maro ho famahana ny olan'ny fifandraisan'ireo samy kaominina dia mitohy ny fanamboaran'ny Faritra Analamanga ny lalana intercommunale Axe Anjozorobe-Betatao, izay mirefy 30km.
Eo amin'ny Fokontany Anosivola, 8km tsy hiditra ny Kaominina Betatao ny asa amin'izao fotoana ary mitohy hatrany.
Ny Faritra Analamanga dia maneho ny fialan-tsiny ho an'ireo mpampiasa iny lalana iny noho ny fanelingelenana.