Nomarihana androany ny fanombohan'ny fanamboaran-dalana miainga avy eo Ambatofotsy mihazo an'Andramasina- Anepoka- Alatsinainy Bakaro mipàka hatrany Ambohimiadana.
Notokana androany koa ny lalana rarivato na Pavé izay namboarin'ny Faritra Analamanga tao Alatsinainy Bakaro.
Notokanana toy izany koa ny Kianjan'ny Fahaleovantena avy amin'ny Sekreteram-panjakana miadidy ny Tanàna vaovao sy ny toeram-ponenana.
Nandritra izany fotoana izany dia nisy ny fanolorana jiro "lampadaire'" ho an'ny kaominina miisa 7 ao anatin'ny distrikan'Andramasina. Mbola hahazo ny anjarany koa ny kaominina hafa.
Nandritry ireo fotoana ireo dia nisy ny fizarana Certificats ho an'ireo mpanao asa tanana any an-toerana avy amin'ny Minisiteran'ny Asa tanàna sy ny Haitao.
Nisy ihany koa ny fanolorana imprimante ho an'ny BIF(Birao Ifoton'ny Fananan-tany) ho fanatsarana sy fanafainganana ny asa.
Tsy natao ambanin-javatra ny fahasalamana ka nisy ny fanentanana ny olona amin'ny fanaovana vaksiny fanefitry ny Polio nokarakarain'ny OMS.
Tiana ho marihana fa izao hetsika izao dia ho fanatanterahana hatrany ny toromariky ny Filoha Andry RAJOELINA dia ny tsy hisian'ny Distrika ho hadino intsony.