Fanokafana lalana vaovao mankany Andramasina

Nomarihina teny Ambalavao ny fanombohana ny fanamboaran-dalana
Nomarihina androany 26 jolay 2023 teo amin'ny Kaominina Ambalavao, distrikan'Antananarivo Atsimondrano, ny asa fanamboarana ny lalana Rip 20 mihazo an'Andramasina. 
Tery dia tery ny làlana ambany tetezana Ambatofotsy hamonjy ny lalana Rip 10 Andramasina ka nanome toromarika ho an'ny Governoram-paritra Analamanga ny Filohan'ny Repoblika Andry Rajoelina ny hanaovana fidirana vaovao amin'ny làlana makany Andramasina. 
Isan'ny antony lehibe nanaovana ity lalana vaovao ity  ny mba tsy hikitihana ny tranon'olona izay efa niorina hatrizay raha halebiazina ny lalana. Hafaliana ny an'ny vahoaka satria sady ho vita ny lalana no tsy ho voakitika ny tranon'izy ireo.
Teny an-toerana ny Solombavambahoaka voafidy tao Atsimondrano, Andry RATSIVAHINY, ny Lehiben'ny Distrikan'Atsimondrano, BELAMY Rafidison Mamitiana Claude, ny Ben'ny tanànan'ny Kaominina Ambalavao, Njatonirina RAZAFIMAHEFA ary ireo teknisianina avy amin'ny Ministeran'ny Asa Vaventy manao ny études sy ny fanaraha-maso amin'ity lalana vaovao nosokafana ity.
Nisy moa ny omby natolotry ny Filoha mba ho mariky ny fanombohana ny asa sy ho nofon-kena mitahim-pihavanana nozaraina ho an'ny fokonolona.