Lalana Ivato-Tanàna

Manampy ny kaominina rehetra ny Faritra Analamanga
Ivato no vavahady hidirana eto Madagasikara satria eny no misy ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena. Tonga tao amin'ny trano fiasan'ny Governoran'Analamanga etsy Ambohidahy ny Ben'ny Tananan'ny Kaominina Ivato, distrikan'Ambohidratrimo nangataka fiaraha-miasa ny hanamboarana ny lalana ao an-tanana, ka ho fanatanterahana ny toromariky ny Filoha Andry RAJOELINA izay Filohan'ny Malagasy tsy an-kanavaka amin'ny tsy hanasiana distrika sy kaominina hadino amin'ny asa fampandrosoana, dia tonga nanolo-tanana namboatra ny lalana eny Ivato ny Faritra Analamanga. Haharitra andro vitsivitsy ny fanamboarana ny lalana eny Ivato koa maneho ny fialan-tsiny ho an'ireo mpampiasa lalana noho ny fanelingelenana.