Fitaovam-pianarana ho an'ny zanaky ny mpiasan'ny Faritra

Nahazo fitaovam-pianarana ny zanaky ny mpiasan'ny Faritra
Mba ho fanamaivanana ireo ray aman-dreny mpiara-miasa ato amin'ny Faritra Analamanga amin'izao fidiran'ny mpianatra izao nanolotra fitaovam-pianarana ho an'ireo ray amandreny rehetra mpiara-miasa ny Governora sy ny mpitantana  ao amin'ny Faritra Analamanga, ny 24 aogositra 2023.
Tso-drano tsotra no atolony ho an'ireo ankizy mpianatra notolorana izany dia ny hoe "mahaiza fianarana sy mitomboa fahaizana sy fahalalana ary fahendrena hatrany".