Fikambanan'ny ben'ny tanàna ao Ankazobe

Mangataka ny hirotsahan'ny Filoha Andry Rajoelina indray ny Fikambanan'ny Ben'ny tanàna.
Nanao fitsidihana tao Ankazobe, androany 28 aogositra 2023 ny Governoran'ny Faritra Analamanga sy ireo mpiara-miasa aminy. Niara-dia taminy tamin'izany ny Minisitry ny Atitany sy ny Fitsinjaram-pahefana izay ministera mpiahy mivantana.
Isan'ny anton-dia tany an-toerana ny fanolorana ny jiro hanazava ny kaominina maro ao amin'ny distrikan'Ankazobe, farafara ho an'ny marary ary indrindra ny moto ho an'ireo Ben'ny tanàna mba ho entiny hanatanteraka ny asany izay fanomezana avy amin'ny Fitondrana foibe tarihin'ny Filoha Andry RAJOELINA.
Nandritra izany fotoana izany dia nisy ny fanambarana nataon'ny fikambanan'ny Ben'ny tànana ao amin'ny distrikan'Ankazobe izay mangataka ny Filoha Andry RAJOELINA mbola hirotsaka Filoha indray amin'izao fifidianana manaraka izao. Ny antony nampirisika azy ireo hanao izany dia ny fahatsapan'izy ireo fa marobe ny asa nataon'izao fitondrana izao, izay mbola tsisy nahavita tamin'ireo mpitondra nifandimby, indrindra ireo fotodrafitr'asa azon'Ankazobe toy ny sekoly Epp sy Ceg, hopitaly, lalana pavé, tsena, Kianja sy ny maro hafa tsy voatanisa.