Nanomboka ny zoma 15 septambra 2023 etsy amin'ny Kianja BAREA Mahamasina ary haharitra 3 andro, izany hoe ny 15, 16, 17 Septambra ny FOIRE ANALAMANGA Andiany Voalohany izay karakarain'ny Faritra Analamanga.
Trano heva maro no ho hitanao eny an-toerana izay manatanteraka varotra fampirantiana amin'ny sehatry ny jono, fiompiana, fambolena ary ny asa tanana.
Natao izao hetsika izao mba hanomezana lanja ireo sehatra 3 ireo izay tena fanohitra amin'ny fampandrosoana ny Firenena ary tafiditra ihany koa ao amin'ny Veliranon'ny Filoha teo aloha Andry RAJOELINA.
Mba ho fanampiana ireo mpampiranty dia tsy nasiana hofany ny tranoheva fa maimaim-poana avokoa.
Isaorana ireo Orinasa maro mpanohana sy ireo Minisitera nanohana ka nahatanterahana izao hetsika izao.
Tongava maro fa TSY MISY VIDIM-PIDIRANA ary hisy TOMBOLA ahazoana Loka maro.