Afa-po ny mpandray anjara sy ny mpitsidika ary ny mpikarakara
Notontosaina nandritra ny hateloana, 15, 16, 17 septambra 2023, tetsy amin'ny Kianja Barea Mahamasina ny varotra fampirantiana Foire Analamanga andiany voalohany. Ny Faritra Analamanga no tompo-marika sy nikarakara ity hetsika goavana ity zay nanasongadinana ny seha-pihariana momba ny fambolena, ny fiompiana, ny jono ary ny asatanana. Zato mahery ny trano heva hita teny antoerana izay samy nampiseho ny vokatra sy ny fahaiza-manao nananany avy. Ankoatra ny varotra fampirantiana dia nisy ihany koa ny valandresaka narahina ady hevitra namoaboasana lohahevitra maro toy ny fanatanterahana ny ODOF (One district one factory), ny titre vert, Ireo tolo-draharahan'ny DRAE Analamanga, Asa tanana maharitra asa mahavelona...
Isan'ny tanjon'ny Faritra Analamanga tamin'ny hetsika toy izao ny fampahafantarana ireo seha-pihariana misy ato anatin'ny faritra sy ny fanomezana tosika ireo mpisehatra ireo. Fahombiazana no azo ilazana iny hetsika andiany voalohany amin'ny Foire Analamanga iny. Manoloana izany dia naneho fisaorana feno ho an'ireo rehetra nanampy tamin'ny fanatontosana izany ny Governora Hery Rasoamaromaka : ny Minisitera sy ny Minisitra isan-tsokajiny, ireo mpampiranty sy mpitsidika, ireo orinasa nanampy sy nanohana tsy ankanavaka. Nanome toky ihany koa ny Faritra Analamanga fa mbola hisy ny andiany faharoa izay ho tsaratsara kokoa noho ity andiany voalohany ity.